Actualités

Antananarivo renivohitra Nandray tambin-karama ireo sefo fokontany


  • Zoma 18 Jona 2010

Ny zoma sy ny sabotsy lasa teo no nadoavana ny tambin-karama ho an’ireo sefo fokontany sy ny mpiara-miasa aminy teto Antananarivo renivohitra. Voalaza fa 40 000 ariary ny an’ny sefo fokontany ary 20 000 ariary kosa ny an’ny lefiny.

 Araka ny fantatra dia ny volan’ny faritra Analamanga no nandoavana izany. Raha ny filazan’ireo sefo fokontany moa dia avy any amin’ny distrika ny fampandrenesana ity fandoavana ny tambin-karama ity ; fampandrenesana izay somary maimaika ihany, hany ka nisy ireo tsy tratra antso ny zoma, ka voatery ny sabotsy vao naka ny volan’izy ireo. Nanamarika anefa ireo sefo fokontany fa mbola misy ny tambin-karama tsy voaloa, ary nisy koa sefo fokontany sasany sy ireo mpiara-miasa aminy tsy naharay ny volany hatramin’izao. Manoloana izany ary dia mbola manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ireto sefo fokontany ireto mba hijery akaiky ny momba azy ireo sy handoa ireo tambin-karama tokony ho azo, indrindra moa fa amin’izao vanim-potoanan’ny fety hanamarihana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena izao.

Nisy tamin’izy ireo ihany koa no nanamarika fa tena tsy ampy raha oharina amin’ny vidim-piainana amin’izao fotoana io tambin-karama io ka tokony hasondrotra fa tsy hijanonana amin’io mari-karama io. Manampy izay dia tsy mora araka ny filazan’izy ireo azy ny asa eo anivon’ny fokontany ary matetika tena tsy ahafahana manao asa hafa. Etsy ankilan’izay anefa dia maro ihany koa ireo mponina eto an-drenivohitra no mitaraina noho ny afitsoky ny mpiasan’ny fokontany sasany, izay ora vitsy monja no ahitana azy ao amin’ny birao, manampy izay mbola misy ny mampifilafila sy miavonavona. Manahirana ihany araka izany ny mikarakara taratasy, indrindra moa fa raha zavatra ilaina maika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT