Vahiny roa sosona no nihaona sy nifampidinika tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana teny amin’ny lapan’ny tanàna omaly, voalohany ny masoivohon’i Chine eto amintsika Atoa Yang Min
, izay nanamafy fa hanohy ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny firenena Sinoa sy ny kaominina. Nanome toky ny amin’ny fananganana tsena misy rihana eto an-drenivohitra ny fanjakana Sinoa ary tsy maintsy hotanterahana izany, hoy i Yang Min. Voaresaky ny roa tonta ihany koa ny fanampian-dry zareo Sinoa amin’ny fametrahana « cantine » na toeram-pisakafoanana maromaro ho an’ny reny sy ny ankizy sahirana eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny ben’ny tanàna avokoa izany rehetra izany. Fa nanao rodobe nitsidika an’i Neny teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ihany koa omaly ireo parlemantera eoropeanina, izay Frantsay moa no tena betsaka tao. Nilaza izy ireo fa hitondra ny anjara birikiny hanampiana ny kaominina eo amin’ny lafiny ara-toekarena, sosialy sy ara-kolontsaina ary eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Tazana niaraka tamin’ireto parlemantera eoropeanina ireto omaly moa Rtoa Yvette Sylla sy ny jeneraly Rasolosoa Dolin.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.