Actualités

Antananarivo Renivohitra 100 andro hanadiovana tsena


  • Alarobia 02 Septambra 2015

Niditra tamin’ny andro faharoa omaly ny hetsika fanadiovana tsena mandritra ny 100 andro ato anatin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra

 

 

. Ambodin’Isotry, ny tany malalaka Bagdad ary ny Coum 67ha indray no nalamin’ireo mpiasan’ny CUA notarihan’ny sampandraharaha misahana ny tsena eo anivon’ny kaominina niaraka tamin’ny lehiben’ny tsena taorian’ny fanombohana notanterahina teny Anosibe ny alatsinainy teo. Tsy atahorana ny fisian’ny korontana na sakoroka satria efa mahazatra ireo mpivarotra amin’ny ankapobeny ihany ny fandaminana tahaka izao izay fanao isan’andro ankoatra ny hetsika fampatsiahivana lehibe iray isam-bolana, hoy ny lehiben’ny tsena eny Ambodin’Isotry Ranala Andriamaniza Azzara. Tanjona lavitr’ezaka ny fahadiovan’ny tsena, ny fampihenana ny tohana amin’ny fifamoivoizan’ny fiarakodia ary ny sisin-dalana malalaka fampiasan’ireo mpandeha an-tongotra.

Ramano F. 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT