Na dia tsy mbola tena tafiditra anaty fahavaratra akory aza isika, dia efa manomboka sahady ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina, ary niaina izany ny teny amin'iny faritra Ampitatafika sy Itaosy iny, omaly alina nanomboka tamin'ny 8 ora sy 25 minitra, raha araka ny fitantaran'ny mponina eny an-toerana.
Tsy nisy fampandrenesana mialoha na peta-drindrina io fahatapahan'ny jiro io, fa tonga dia nihatra. Tsara homarihana fa efa ho herinandro teo ho eo koa izay dia tapaka isan'andro ny rano eny amin'io faritra io ihany dia Ampitatafika, Ambohikely, Ambohimamory, Vinany, Ambohijanamasoandro. Tsy misy filazana mialoha koa izy io fa tonga dia tapaka ho azy. Dia asa indray izay hambaran'ny tompon'andraikitra ao amin'ny Jirama na fikojakojana ny fitaovana amin'ny andro alina, na nisy andrin-jiro nianjera tampoka, na nisy nangalatra tariby no nahatonga io delestazy io. Fa na tsy miteny aza anefa ny Jirama dia efa azo vinaniana fa noho ny fahasahiranana ara-bola no mahatonga ny fisian'ny delestazy. Tsy maharaka ny fividianana gazoala ampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra intsony mantsy, raha ny resaka mandeha ny Jirama, ka tsy maintsy irosoana noho izany ny delestazy.
Tahaka izany koa ny momba ny rano, satria milina mandeha amin'ny solika ihany koa no manosika sy manaparitaka ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny mampametra-panontaniana ny maro koa dia ny hoe : fa nankaiza ireo milina nohafaran'ny fitondrana tetezamita avy any ivelany nambara fa afaka mampihena ny delestazy ? Sa ve faritra vitsivitsy notsongaina fotsiny no nampiasana azy ireo ? Ny mampanahy ny olon-tsotra dia sao lahy ka hampirongatra ny asan-jiolahy indray ity fiverenan'ny delestazy ity e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.