Actualités

Antananarivo - Fokontany192 Hiala tsy ho ahian’ny Ministeran’ny fanapariaham-pahefana ?


  • Zoma 30 Jolay 2010


Mandeha be ny resaka tato anatin’ny roa herinandro teo izao fa dia misy mikononkonona ny hialan’ny fokontany 192, Antananarivo renivohitra tsy ho ahian’ny Ministeran’ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Misy ny fivorivoriana mandeha tany amin’ny boriborintany tany manodidina izany, tsy ferana ny fanangonan-tsonia. Amin’ny maha anatin’ny rantsamangaikan’ny fanjakana azy moa dia sady eo ambany fiahian’ny ministeran’ny atitany ny fokontany, noho izy manatanteraka asam-panjakana, no eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany raha miresaka fanapariaham-pahefana. Araka ny fantatra dia olona mikendry ny hilatsaka ho kandida ben’ny tanànan’Antananarivo atsy ho atsy, no ao ambadik’ity resaka ity. Koa dia karazan’ny fakana fon’ireo tompon’andraikitra eny amin’ny fokontany no efa ataony amin’izany, ary arahina asa mahakasika ny sosialy. Ho hita eo ihany ny tohiny.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT