Actualités

Antananarivo Efa feno mpitsoa-ponenana vahiny ?


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Tranga iray nahatonga saina ny maro ary niteraka adihevitra be hatry ny omaly ilay sarina rangahy iray manao fiakanjona arabo misy volombava be nivatsy entana isan-karazany nandeha teny an-dalambe teto Antananarivo Renivohitra.

 

 Tsy fantatra na iza na avy aiza ary handeha ho aiza fa dia iny izy aloha. Raha ny fahafantarana ireo teratany karana mitovitovy endrika aminy dia tsy mitombina firy ny hoe tsy nahaloa hofan-trano izy ka voaroaka ka nibata ny enta-keliny dia hitady trano hafa hisitrihana na sanatria hanatevina ny mpatory an-dalambe sy eny ambany tonelina. Sary tsy fahita teto hatramin’izay iny hitan’ny maro omaly iny fa efa zavatra hafa mihitsy. Nanizingizina hatramin’izay ny fitondram-panjakana fa tsy misy mpitsoa-ponenana niditra teto Madagasikara na dia efa nampiahiahy ny maro aza ny naneken’ny fitondram-panjakana ny hisian’ny zotran’ny Turkish Airlines tato anatin’ny roa taona izao. Tamin’ny 2016 dia tonga teto mihitsy ny filoha Tiorka Recep Tayyip Erdogan, tsy tonga hizahatany fotsiny fa hiara-kiasa amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. I Tiorkia izay fantatra tsara fa manana toerana goavam-be amin’ny fampiantranoana sy fandaminana ireo mpitsoa-ponenana noho ny ady misy any Syria sy Irak. Nanizingizina ny filoham-pirenena ny 16 septambra teny Iavoloha raha nihaona tamin’ny fianakaviamben’ny asa fanaovan-gazety fa tsy misy hevitra hanorina tanàna ho an’ny mpitsoa-ponenana eto Madagasikara. Roa volana aty aoriana, rehefa mijery ny zava-misy dia manahirana ihany ilay raharaha. Ankoatra izay, ahitana vatan-dehilahy mpanao aferana finday tsy Malagasy satria tsy mahay afa-tsy teny anglisy na fiteny hafa tato anatin’ny volana vitsivitsy eny Analakely, Andravoahangy, Isoraka, Ivandry. Olona avy aiza marina ireo ary nahoana no tsy manana anton’asa mazava fa manao bizna sady manam-bola sy manam-pitaovana tsara ? Mifandraika amin’io ihany, araka ny fanangonam-baovao sy fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety teto amin’ny Tia Tanindrazana dia misy andiana Afrikanina teratany Somalianina monina sy mifamezivezy eny amin’ny faritra Itaosy Ambohijanamasoandro ao anatin’ny fokontany Vinany Ambavahaditokana. Tsy fantatra na manao inona izy ireo fa hita mifamezivezy isan’andro. Ny fahitana azy dia manam-bola sy afaka miaina tsara satria manofa trano raitra sy lafo izy ireo. Ahitana azy ireo ihany koa eny 67 ha. Voara-maso ve ireo ? Mampiaka-peo ny fitondram-panjakana rehefa mibosesika ny fanehoan-kevitra na fanakianana. Azo sorohana tsara anefa izany rehefa tonga ara-potoana ny fampitam-baovao ofisialy miaraka amin’ny fanzavana mitombina tsara.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT