Nahazo commissariat central ny mponina eny Avaradrano. Ao Sabotsy Namehana no misy azy io, fotodrafitrasa napetraka natao hitandroana ny fandriampahalemana. Tonga nitarika ny lanonana teny an-toerana ny Praiminisitra Lehiben’ny
Governemanta Ravelonarivo Jean sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Randimbisoa Blaise Richard. Nambaran’ny Ben’ny tanàna Sabotsy Namehana nandritra izany fa nihatsara ny filaminan’ny tanàna hatramin’ny nahatongavan’ny polisy teny an-toerana. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa sy hanome tanana ireo mpitandro ny filaminana ny tenany no sady nangataka ny hampitomboana ny isan’izy ireo. Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka kosa dia nanao antso tamin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny fananganana Commissariat de Police any amin’ireo Disitrika tsy mbola misy izany izay miisa 29 ka ny ao amin’ny faritany Toliara sy Fianarantsoa no tena maro amin’izany. Nitodika tamin’ireo polisy miasa eny an-toerana izy mba hiasa am-pahamendrehana, hanaraka ny fitsipi-pifehezana sy ny fitsipi-pitondrantena takian’ny asan’ny polisim-pirenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.