Actualités

Antananarivo Avaradrano Nahazo Commissariat Central


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

Nahazo commissariat central ny mponina eny Avaradrano. Ao Sabotsy Namehana no misy azy io, fotodrafitrasa napetraka natao hitandroana ny fandriampahalemana.

 

 

Tonga nitarika ny lanonana teny an-toerana ny  Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ravelonarivo Jean sy ny  Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Randimbisoa  Blaise Richard. Nambaran’ny Ben’ny tanàna Sabotsy Namehana nandritra izany  fa nihatsara ny filaminan’ny tanàna hatramin’ny nahatongavan’ny polisy teny an-toerana. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa sy hanome tanana ireo mpitandro ny filaminana ny tenany no sady  nangataka ny hampitomboana ny isan’izy ireo. Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka kosa dia nanao antso tamin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny fananganana Commissariat de Police any amin’ireo Disitrika tsy mbola misy izany izay miisa 29 ka ny ao amin’ny faritany Toliara sy Fianarantsoa no tena  maro amin’izany. Nitodika tamin’ireo polisy miasa eny an-toerana izy mba hiasa am-pahamendrehana, hanaraka ny fitsipi-pifehezana sy ny fitsipi-pitondrantena takian’ny asan’ny polisim-pirenena.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT