Ny alarobia 31 janoary hariva no nilazana ny sefom-pokontany rehetra teny amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia Itaosy, Andranonahoatra, Ambavahaditokana, Tsararay, Fiombonana…
fa misy fiofanana tsy maintsy hatrehina eny ny ampitson’iny teny amin’ny kaominina Fiombonana. Nomena baiko hanakatona ny birao avokoa izy ireo fa tsy maintsy mankany. Rehefa tonga anefa ny fotoana, hagagana sy hatairana ny an’ny rehetra fa fifampiarahabana nahatratra ny taona ho an’ny antoko HVM Atsimondrano no niseho. Anisan’ny nanatrika tao i Rivo Rakotovao, filoha nasionalin’ny antoko. Nanampy trotraka ny nisian’ny olona tsy fanta-piaviana nanandra-tena ho solontenan’ireo lehiben’ny fokontany rehetra fa solontenany. Nisolelaka avy hatrany tamin-dry Rivo Rakotovao, ka nanao fampanantenana fa tsy hivadika amin’ny HVM sy ity mpitarika azy ity ireo sefom-pokontany. Maro ny tezitra sy tofoka tamin’ny fitaka bevava, indrindra ny fikatsahana azy ireo hatao fitaovana politika hampandaniana ny antokon’ny fitondrana amin’ny fifidianana ho avy. Ahitana kaominina miisa 26 Antananarivo Atsimondrano ary anisan’ny be mponina sy mpifidy indrindra eto amin’ny faritra Analamanga, ka tadiavina hatao tohatra fiakarana. Miezaka mampiasa ny fahefam-panjakana, saingy efa habaribarin’ny Malagasy fa tsy ilainy, kanefa dia manao letrezana hatrany. Afa-baraka tanteraka, ohatra, ny HVM tao Mahajanga ny herinandro nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2018. Delegasionina mafonja notarihin’i Rivo Rakotovao, Mohamed Rachid, Harry Laurent Rahajason, Monique Rasoazananera, Anicet Andriamosarisoa,… izay oloben’ny HVM sy ny fanjakana, saingy nitsanga-menatra satria zara raha nisy nanotrona. Voalaza fa tsy nisy afa-tsy fikambanam-behivavy notambatambazana 3 tapitrisa Ariary hanomanana sy hiatrehana ny 8 martsa sy olom-bitsy avy amin'ny isam-pokontany, nanerena ireo sefo fokontany miaraka amin'ny antoko HVM no tonga tao amin’ny Complexe sportif.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.