Actualités

Antananarivo Adiny 3 ny delestazy halina


  • Talata 10 Janoary 2017

Nampiteny ny moana ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo Renivohitra omaly.

 

 Nisy ny maraina dia efa tapaka nandritra ny 3 ora, izany hoe nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora antoandro tahaka ny teny Ambodihady sy ny manodidina azy. Nisy fahatapahana in-droa miantaona naharitra 15 minitra avy ny tolakandro ary nifanesisesy isaky ny faritra amin’izay ny fahatapahana lavareny ny takariva sy ny alina ka naharitra 1 ka hatramin’ny 3 ora izany. Ho an’i Soanierana, Namontana ohatra dia maty ny jiro tamin’ny 7 ora hariva ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 10 ora alina. Maro anefa ny orinasa amin’iny faritra iny ary tena nisy akony ratsy tamin’ny asa ilay izy. Maro koa ny toerana hanararaotan’ny jiolahy sy ny mpanendaka rehefa maty ny jiro. Nisy fanamboarana tsy maintsy natao, hoy ny avy ao amin’ny jirama nanatsotsotra ny resaka. Tsy rariny intsony e !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT