Actualités

Antananarivo 400 taona Aferan’iza marina ?


  • Talata 21 Septambra 2010


Ny tantara no isan’ny maha firenena ny firenena iray. Manampy azy ny Teny sy ny faneva na sainam-pirenena. Ny firenena tsy manana tantara izany dia manalasala ihany. Antananarivo dia tsy vitan’ny hoe renivohi-pirenena fa tanàna tranainy eto Madagasikara ihany koa. 400 taona amin’ity 2010 ity no niforonan’ny tanàna. Teraka tamin’ny andron’ny Mpanjaka Andrianjaka, Antananarivo izay naka fototra tamin’Analamanga, rehefa nanitatra fanjakana izy. Mitambesatra eo an-tsoroky ny mpitantana ny Kaominina ankehitriny izany. Ny zavatra tsikaritra anefa dia toa mangingina be ihany ny fahatsiarovana rehefa tsy hankalazana ihany io tsingerin-taona manan-tantaran’ity tanàna ity izany.

Ny tanàna 400 taona izany dia misy vakoka ao (taotrano, firafitry ny tanàna), misy tantara ao, misy kolontsaina ao, misy fiarahamonina ao, … koa eo no mipetraka ny fanontaniana hoe : inona no andraikitr’ireo ministera voakasik’izany mivantana ? Resahina betsaka moa tamin’ity 2010 ity ny hambompom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana, izay teny manainga rahateo ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantenam-pirenena, koa aiza ho aiza io raha tarafina amin’ity faha-40 taonan’ny tanànan’Antananarivo ity ? Antananarivo sy Madagasikara rahateo mifamatotra toa tandra vadin-koditra. Sa tsy aferan’ny fanjakana izany ? Efa lefin’ny tantara angaha ilay kolontsain’ity tanàna ity hoe : tsy anjarako izaho samy irery fa anjarako izaho sy ianao ? 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT