Actualités

Antalaha Risoriso ny solika, lavareny ny delestazy


  • Zoma 28 Desambra 2012

Ratsy fiafara ny taona 2012 ho an’ny mponina ao Antalaha. Ritra efa hatramin’ny talata ny solika amin’ireo toby mpaninjara telo misy ao an-tanàna, ka dia manjaka ny risoriso.

 4000Ar ka hatramin’ny 4500Ar ny iray litatra amin’ny lasantsy. Tamin’ny 21 desambra nefa no nisy famatsiana farany. Ankoatra izay dia mahery vaika koa ny delestazy. Misy fahasimbana ny milina miisa telo mpamokatra herinaratra an’ny orinasa Jirama ka dia mahatratra 12 ora ny faharetan’ny fahatapahan-jiro, tranga izay tsy mbola nisy tao Antalaha. Ho avy anefa ity ny fety, vanim-potoana tena ilana solika amin’ny fivezivezena na koa handefasana gropy handrehetana jiro any ambanivolo, toy izany koa ny herinaratry ny Jirama izay tena miasa amin’izao faran’ny taona izao amin’ny fikarakarana sakafo, fikojana tarehy amam-bika ho an’ny vehivavy ary ny asa aman-draharaha sy fihariana mila herinaratra.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT