Ny orinasa “Eau Capitaine” tarihin’ny taleny, Rasolomamonjy Johanesa no misahana ny fikarakarana sy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa ao amin’ny ANS Ampefiloha nanomboka ny taona 2010. Maro ireo fanamboarana sy fanarenana efa natao ary mbola maro ny miandry.
Isan’ny efa natao ny fanoloana sy fanamboarana ireo “carreaux” manodinana ny dobo filomanosana. Io orinasa io no mikojakoja sy manadio ny rano ao amin’ny dobo. Isankerinandro eo ny fanadiovana sy fanasiana akora fanafody samihafa toy ny “hypochlorite de calcium” sy “sulfate d’alumine” hisorohana ireo otrikaretina sy lomotra. Arakaraky ny loton’ny rano ny fanadiovana ary indraindray in-droa isan-kerinandro mihitsy izany araka ny namabaran’ny talen’io orinasa io. Io orinasa io ihany koa no nanao fikojakojana ireo fotodrafitrasa hafa ao amin’ny ANS ka isan’ireo efa vita ireo vavahady be fidirana sy tranokelin’ireo mpiambina, ny fanamboarana ny any anatin’ireo efitrano fandraisana mpanao fanatanjahantena indrindra amin’izao ankatoky ny Lalaon’ny nosy izao, manamboatra ireo fantson-drano simba rehetra na eny dobo na ireo trano fitobiana. Ankoatra ireo dia mandoko ireo rindrina ka isan’ny asa ato ho ato ny ao amin’ny faritry ny dobo filomanosana.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.