Actualités

ANS Ampefiloha Mampiantrano traboina miisa 576


  • Talata 09 Janoary 2018

Efa feno traboina sahady amin’izao etsy amin’ny ANS Ampefiloha. Miisa 576 avy amina fianakaviana miisa 390 izy ireo hatramin’ny omaly, traboina avy ao amin’ny Fokontany Andavamamba Anjezika I.

Noho ny  fiakaran’ny rano izay efa tafiditra any an-tokantrano mihitsy no voalaza fa anisan’ny antony namindrana toerana azy ireo, indrindra fa ny zaza amam-behivavy, raha araka ny fanazavan-dRazafimanantsoa Mirana, lehiben’ny distrikan’Antananarivo I. Tapitra lasibatry ny gripa mahery sy ny kohoka avokoa mantsy ireo ankizy madinika ka tsy maintsy nitadiavan’ny Fitondram-panjakana vahaolana. Tonga nitsidika azy ireo teny an-toerana omaly ny praiministra lehiben’ny governemanta Atoa Solonandrasana Olivier. Nisy ny fanolorany  fotsim-bary tamin’ny kitapo maromaro ho an’ireo traboina ireo niampy voamaina sy ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Ny Fokontany moa raha tsiahivina no manamarina ireto olona traboina ao amin’ny ANS Ampefiloha ireto raha mponina ao Andavamamba Anjezika I marina ka nisy ny fizarana ticket ho azy ireo hahafahany maka ny anjara fanampiana.  Efa tonga teny an-toerana ihany koa omaly ireo mpitsabo eo anivon’ny CSB nanao fizaham-pahasalamana maimaim-poana azy ireo ho fitsinjovana ny toe-pahasalaman’ireo traboina. Tahaka izao ny resadresaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana tamin’ireo traboina sasantsasany.

 

Sahondra, Renim-pianakaviana niteraka iray : Ny Alahady hariva teo izahay no nanomboka nafindra tato amin’ny ANS. Efa hatrany an-dohalika mantsy ny rano miditra ao an-tokantranonay ka na ny fivoahana ny trano mandeha mikarama isan’andro  aza efa tena manahirana. Na izany aza mbola olana ny toerana fandroahana sakafo  satria ny matory ihany no azonay hatao ato amin’ny ANS.

Felicia, Renim-pianakaviana niteraka efatra : Efa mahazatra ny tahaka izao isan-taona ho anay. Tsy maintsy traboina foana mantsy izahay rehefa mirotsaka tsy miato ny ranon’orana. Somary olana anefa ny fiaraha-monina eto amin’ny ANS satria be tabataba. Tsy maintsy ireo lehilahy mijanona any an-trano miandry ny tanana ihany koa no mahandro ny sakafo ary manatitra izany marain-tsy hariva.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT