Actualités

Anosy Nifatratra tao anaty «abribus» ny 4X4 an’ny polisy


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010


Omaly vao maraim-be no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity, tetsy Anosy, teo amin’ilay fiandrasana bus ampitan’ny HJRA. Raha araka ny fantatra dia nifanenjika tamin’ny fiara iray ny 4X4 an’ny polisy. Fiara 4X4 ihany koa ilay nifanenjika taminy raha araka ny vaovao. Potika be io fiaran’ny polisy izay vao haingana ihany no azo saingy mba tsy nisy naratra ireo mpitandro ny filaminana tao anatiny raha araka ny vaovao azonay. Rehefa nofantarina dia an’ny kaomisaria misahana ny boriborintany fahadimy io fiara io. Kaomisaria izay azo lazaina fa mamiratra raha ampitahaina amin’ny namany hafa. Raha tsiahivina dia izy irery no anisan’ny nanana finiavana tamin’ny fanaovana «opération» manenjika ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana avy amin’ny vaovao notrandrahana. Dia nahitam-bokany tokoa izany tetsy Anosizato sy Analakely. Nitohy hatrany ny hetsika ary mbola mety manaporofo izany ity fanenjehana 4X4 ity. Ny mampalahelo dia ny azy indray no simba tanteraka. Asa raha mba hosoloin’ny ministera tompon’andraikitra ny fitaovana simba amin’ny asa toy izao… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT