Actualités

Anosy Mpitsara maty nifandroritana


  • Alarobia 13 Oktobra 2010


Niteraka olana ary tonga hatramin’ny fifampitoriana mihitsy ny momba ny fahafatesan’ity mpitsara iray na ny marimarina kokoa ny momba ny toerana handevenana azy. Nifandroritana ny razana satria samy te handevina azy any amin’ny fasan-drazany ny vadiny roa. Ny iray eny Itaosy ary ny faharoa kosa any Ambatondrazaka. Ny niafarany dia niakatra fitsarana omaly ity raharaha ity ary naharitra adim-pamantaranandro maromaro mihitsy izany. Samy nanana ny fandresen-dahany ny fianakaviana roa tonta. Raha ny zava-misy mantsy dia efa tamin’ny herinandro lasa teo no fantatra fa tsy ho ela intsony dia ho faty ity mpitsara ity. Niezaka nanontany azy, arak’izany, ireo olona ny amin’izay tiany handevenana azy. Dia teo amin’izay no nirirotra ny raharaha satria samy nandroso ny porofony ireo vadiny roa. Tamin’ny ora nialanay teny Anosy dia tsy mbola vita ny raharaham-pitsarana.

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT