Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Lehiben’ny Faritra Anosy, Randriatefiarison Guillaume Venance sy ny Sekretera jeneralin’ny Faritra, Tanjaniaina Juliot Pierrot.
Nanampy trotraka izany ny namoahan’ny Lehiben’ny faritra naoty, ny 18 mey 2010, mampiato amin’ny asany ny Sekretera jeneraly ary mandrara an’ity farany tsy hiditra ny toeram-piasana. Tsy nanaiky lembenana tamin’izany i Tanjaniaina Juliot Pierrot, fa namaly an-tsoratra ny naoty navoakan’ny lehiben’ny Faritra ary nandefa izany tamin’ny isan’ambaratonga, mampahatsiaro fa didim-panjakana ara-dalàna no nanendrena azy amin’io toeran’ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Anosy io. «Toerana ifandimbiasana io ary tsy manda ny fanesorana aho saingy aoka hohajaina ny lalàna», hoy izy raha nanontaniana. Saika tonga tamin’ny fifampikasihan-tanana ny raharaha ny zoma 21 mey 2010 raha tonga nikarakara taratasy mikasika ny orinasany, Cabinet d’Etude «Excellence Consulting» i Tanjaniaina Juliot Pierrot. Trano iray ihany mantsy no misy ny biraon’ny Faritra sy ny distrika ary ny masoivohon’ny antotanisa. Tafara-dalana tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Faritra ny anabaviny tamin’io, hikarakara ny karatra statistika momba io orinasa vao natsangany io. Tsikaritry ny lehiben’ny Faritra, izay nivory tao, ny fahatongavan’izy ireo, ka dia nandrasany teo amin’ny lalantsara raha vao tafakatra ny tohatra ary dia “rarakompana ny rahom-bava sy fampitahorana miharo fandrahonana hampiasa hery amiko”, hoy i Tanjaniaina Juliot Pierrot. Teo imason’ny mpiasan’ny distrika sy ny mpiasan’ny Faritra no nitrangan’izany. Raha tsy ny mpiasan’ny harofenitry ny Faritra dia mety nikasi-tanana ny lehiben’ny Faritra, hoy ny Sekretera jeneraly. Nametraka fitoriana fiandry eny anivon’ny fampanoavana ity farany, noho io toe-javatra io. “Ny zoko sy ny fahalalahako mihitsy no voatohintohina”, hoy izy raha nanontaniana ny antony nahatonga azy hitory. Nambarany kosa fa na ny karamany aza nampifilafilaina vao azo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.