Actualités

Anosizato Fiaran’ny polisim-pirenena nibahan-dalana


  • Alatsinainy 19 Jolay 2010

Tsy nifandrenesana ny feona fiara miraondraona sy ny kiririokan’ny kipantsona teny Anosizato ny zoma hariva teo. Tsy hoe fety na karnavaly no nahatonga izany fa ny fikatsoan’ny fifamoivoizana tanteraka.

Somary tery ihany mantsy ilay lalana rarivato mitsofoka eo Anosizato mankany Antandrokomby iny satria sady misy tatatra tsy misarona no mbola feno mpivarotra ny sisin-dalana. Fa ny tena nahatonga ny fitohanana tamin’io zoma hariva tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany io dia noho ny fijanonan’ny fiara iray tamin’ny sisin-dalana manoloana trano fisotroana iray teny. Nijanona soa aman-tsara teo amin’ny sisin-dalana ity fiara 4x4 miloko manga tsy misy laharana, an’ny polisim-pirenena. Tsy nisy olona tao anatiny, ary tsy hita teo amin’ny manodidina koa izay mpamily azy, nanampy trotraka izany koa moa ny sarety iray sy ny tsy fifandeferana eo amin’ireo mpamily fiara izay samy maika ny handeha. Koa dia nihitsoka tanteraka nandritra ny minitra maro noho izany ny fifamoivoizana, nefa tsy hita popoka izay nitondra ilay fiaran’ny polisim-pirenena.

Sady sorena no tezitra ny anakamaroan’ny olona raha nahita izany ary raikitra ny resaka hoe : «ny tokony hampanaja ny lalàna sy handamina ny fifamoivoizana indray ity no toa manakorontana azy». Fa ny tena nisarika ny mason’ny mpandalo koa dia ny fahitana fa tsy misy laharana na nomerao ity fiara 4X4 nibahan-dalana teny Anosizato ity, ka hoy indrindra ny mpamily iray hoe : «efa fiarana polisy maromaro no hitako tsy misy numerao tahaka an’io, saingy toa miriaria eny rehetra eny izy ireo. Raha olon-tsotra anefa no mitondra fiara tsy misy numerao tahaka izany dia mivatravatra mihitsy ireo polisy ka milatsaka avy hatrany ny sazy, na mandoa vola amin-dry zareo vao afaka mandeha … F’angaha moa samihafa ny lalàna mifehy ny vahoaka tsotra sy ny manampahefana ? Sa izay ve ilay hoe afaka maao izay tianay izahay satria anay ny lalàna ? ». Santionany fotsiny ny nambara teo izay, fa maro ny olona no mitaraina amin’ny fizahozahoana sy fanaparam-pahefana ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana. Soa anefa fa tsy izy rehetra fa ampahany vitsy, nefa moa izay no tonga amin’ny fitenenana hoe : ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT