Actualités

Anosizato Atsinanana Jiolahy 3 tratra niaraka tamin’ny gony feno entana


  • Sabotsy 07 Novambra 2015

Jiolahy miisa telo efa za-draharaha amin’ny famakiana trano no saron’ny andrimasom-pokonolona tetsy Anosizato Atsinanana omaly maraina tokony ho tamin’ny 3 ora 40 mn.

 

 Manodidina ny 20 ka hatramin’ny 42 taona izy ireo, tratra niaraka tamin’ny gony feno fitaovan-dakozia maro samihafa entina handeha hamidy niaraka tamin’ny fanalahidy mety hamahana  varavarana maro. Toraka izany koa ny antsy, ny saron-tava fampiasan’izy rehefa manao ny asa ratsiny. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny fokontany tamin’izy ireo no nahafantarana fa efa ela izy ireo no nanao ity asa ratsy ity ka ireo miasa isan’andro mamelon-tena no ataony lasibatra. Nanomboka ny 4 oktobra lasa teo moa  raha tsiahivina no nijoro ny andrimasom-pokonolona tao Anosizato Atsinanana. Ny 6 oktobra lasa teo dia efa nisy sahady ireo mpangalatra tratra  izay namaky ny EPP raha efa ho fanim-polony izy telolahy ireto. Ankoatra ny fitaovan-dakozia tahaka izao dia lasibatra ihany koa ny kaonteran-dranon’ny jirama, ny lamba miahy…Tonga naka azy ireo tao amin’ity fokontany ity ireo mpitandro ny filaminana ao amin’ny boriborintany fahadimy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT