Actualités

Anosipatrana Nahazo fanampiana ny traboina


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Anisan’ny nahazo fanampiana avy amin’ny BNGRC ireo mponina dibo-drano teny amin’ny faritra iva Anosipatrana atsinanana ny sabotsy lasa teo. Vary 50 gony miisa 50 sy voanemba 100kg miisa 25 ary menaka no nozaraina ho an’ireo traboina

 

. Ho an’ireo nisoratra anarana dia nahazo vary iray gony sy voanemba 5kg ary menaka 1litatra isan-tokantrano. Tsy lany anefa ny fanampiana ka dia nomena vary 3kg sy voanemba 5kg indray ireo traboina tsy nisoratra anarana. Nony farany dia nomena daholo rehefa nitondra karinem-pokontany. Niasa mafy tokoa ireo komity sy vaomieran’ny fandriampahalemana notarihin’ny sefom-pokontany Randriamananjara Martin izay niharitra hatramin’ny farany.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT