Actualités

Anosipatrana Filoham-pokontany teo aloha nisy nanafika


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Nisy nanafika tao an-tranony omaly alahady maraina tokony ho tamin’ny 2ora 30 ny filoham-pokontanin'Anosipatrana Atsinanana teo aloha.

 

 Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola ana hetsiny sy ny firavaka volamena tao an-trano. Maromaro izy ireo no nanafika nitondra fitaovana toy ny antsy sy famaky. Noratrainy tamin’ny antsy sy ny famaky ilay raimandreny efa ho 70 taona mahery. Naratra mafy izy, nisy tapaka ny tanany ary tsy nahatsiaro tena avy hatrany. Nalefa haingana eny amin’ny hopitaly izy ary natao any amin’ny fameloman’aina. Nisy nahatsikaritra ny nidiran’izy ireo ary nisy nitsoka kiririoka avy any ivelany. Naheno izany ny mpanafika dia lasa nitsoaka haingana. Antony roa no ahiahian’ny olona ho nahatonga izao fanafihana izao. An-daniny dia mpikatroka mafana fo amin’ny antoko matanjaka eto an-tanàna izy. An-kilany dia mety ho ny sakaizany ihany no nahavanon-doza izay mahafantatra tsara ny ao an-trano.

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT