Kely dia miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo ireo zazavavy ao amin’ny fokontany Anosipatrana Atsinanana.
Misy hatrany mantsy ireo mitsoaka miala ny tokantranon-dray aman-dreniny manaraka lehilahy, raha araka ny fanazavan-dRtoa Elisée, lehiben’ny sektera I ao amin’ity fokontany ity. Vao tamin’ny herinandro teo, ohatra, dia tovovavy kely roa iraitampo 17 sy 14 taona no indray tsy hita fa samy nanaraka ny olon-tiany avy. Ho an’ilay zokiny 17 taona dia nambaran’ny teo anivon’ny fokontany fa efa fanintelony na faninefany izy no niala mandry ary voalaza fa efa mitondra vohoka. Vao indray mandeha kosa ilay zandriny 14 taona. Samy nanaovan’ny ray aman-dreniny fitarainana teo anivon’ny fokontany izy mirahavavy ary efa nody ary nampanantsoina ireo olon-tiany. Ho ana tovovavy kely iray vao 13 taona monja indray dia noho ny olana ara-tokantrano misy eo amin’ny ray aman-dreniny no nanosika azy hitsoaka saingy efa tafaverina eo anivon’ny tokantranony ihany koa. Mety ho antony ny tsy faharahan’ny ray aman-dreny ny fitaizana satria vao maraina no miala ao an-trano dia tsy tafody raha tsy alina. Eo koa ny fanagiazana azy ireny mafy loatra. Anisany koa ny tsy fananan’ny ray aman-dreny asa raikitra dia mibirioka ny ankizy. Tsiahivina fa anisan’ny miteraka ny vohoka tsy irina ny fanaovana firaisana aloha loatra mialoha ny fotoana tahaka izao ka tsy hahafahan’ny tovovavy Malagasy mamita ny fianarany hatramin’ny farany. Tsy afa-misaraka amin’izany hajejoana izay anisan’ny mitarika ny lehilahy hanolana ihany koa ka mahatonga ny isan’ireo raisina an-tanana ho tafakatra hatrany amin’ny 60 isam-bolana etsy amin’ny Centre Vonjy Befelatanana. Eo an-danin’izay anefa ho an’ireo fikambanana mitaiza ireo ankizy sahirana eto amintsika dia betsaka amin’izy ireny no efa miraviravy tanana vokatry ny tsy fisian’ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana nefa maro amin’ireo zazavavy manatona azy no mibaby kitra tsy fidiny avokoa ny ankamaroany nefa tsy azony lavina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.