Fatin-dehilahy iray manodidina ny 30 taona teo ho eo no hitan'ny fokonolona teny amin'ny fokontany Anosimasina Itaosy omaly maraina tokony ho tamin'ny 6 ora, manakaiky ny andrin-jiro kambana.
Efa tsy nisy aina intsony izy nandritra izany ary efa nilon-drano naharitra ihany koa, raha araka ny tombana. Nentin'ny ranon'Ikopa izay mandalo eny amin'ity fokontany ity izy io, raha araka ny nambaran'ireo nanatri-maso. Mbola teny aminy avokoa ny akanjony raha tsy nisy taratasy nahafantarana azy kosa tany aminy. Efa tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana moa ireo mpitandro ny filaminana miasa eo anivon'ny borigadin'ny zandarimariam-pirenena eny Anosimasina, narahin’ny BMH ka efa nateriny eny amin’ny tranompaty HJRA ny razana.
Nangonin'i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.