Actualités

Anosibe Miverina ho faritra mena !


  • Talata 20 Jolay 2010

Raha mba efa lefilefy ny lazan’Anosibe manodidina ny asan-jiolahy hatramin’ny nisian’ny lalam-baovao izay mandalo eo aminy, izao indray dia miverina ho faritra mena tanteraka io kartie io.

Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay dia naheno basy nipoaka hatrany ny mponina teny. Ny farany indrindra dia ny nitifiran’ny jiolahy ny olona hotafihany, omaly manodidina ny tamnn’ny iray ora sy sasany maraina. Mpivarotra mpamongady no voatafika tao. Tany amin’ny rihana faharoa no nisy ilay efitrano izay nisy ny vola ary tena tao tokoa ireo no nigadona, niakatra tamin’ny tohatra. Nitifitra tsy am-pisalasalana tamin’ny basy P.M izay nentiny, mba hanerena ilay olona hanaraka izay noteneniny. Lasa tao anatin’ity fanafihana ity ny vola mitentina 40 tapitrisa ariary sy ny firavaka volamena ary ny finday isan-karazany tao. Folo no isan’ireo olon-dratsy izay tompon’andraikitra tamin’ny fandrobana. Marobe ny mpitandro ny filaminana miasa eny amin’ny manodidina ary saika polisy avokoa aza no miambina ireny toeram-pivarotana lehibe eo Anosibe ireny. Manampy izany dia mbola marobe ihany koa ny mpitandro ny filaminana mipetraka eny. Toa tsy mampihemotra ireo jiolahy anefa ny fisian’izany. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT