Actualités

Anosibe Misy mitady hibodo ny tsenan’ireo olona sasany


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Tsena miisa telo na efatra eo ho eo no fantatra fa nakaton’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nanomboka ny volana aprily taona 2014. Tsena mpivarotra voamaina ny ankamaroan’izy ireo, fanakatonana izay voalaza fa tsy nahitana antony akory.

 

 

 Ankehitriny, efa mitsangana eo anivon’ny kaominina ny kaomisiona manokana hijery ireo tsena nakatona ireo, taorian’ny fitarainana nataon’ny tompon’ny tsena tamin’ny PDS. Ny mahavariana anefa, hoy hatrany ny tompon’ireo tsena sasany, dia tadiavin’ny mpitarika io kaomisiona io omena ireo olona mpibodo tsena ny tsenanay na dia anananay taratasy ara-dalàna aza izany. Tsy nojereny mazava akory ny antontan-taratasy eo an-tanany fa avy hatrany dia nandray fanapahan-kevitra izy. Tsy ekenay izany, hoy hatrany izy ireo, fa raha omena ireo mpidobo toerana ireo tokoa ny tsenanay dia ho avy ihany koa izahay hivarotra amin’ny fotoana hisokafany.  Nomarihin’izy ireo moa fa efa nanome baiko ny amin’ny hanokafana ny tsenan’izy ireo ny PDS saingy tsy nisy nihaino. Efa eny am-pelatanan’izy ireo ihany koa ny didy avy amin’ny tribonaly ny amin’ny tokony hanokafana ny tsenany. Ahitana ity tsena nakatona ity ihany koa moa ny eny Andravoahangy eny.

 

Patty


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT