Na mitondra na tsy mitondra kara-panondro dia hosamborina avokoa ary entina eny amin’ny biraon’ny polisy. Izay indray ny fepetra vaovao noraisin’ny polisim-pirenena amin’ny ankapobeny.
Ny kaomisarian’ny boriborintany manokana no nanao io didy io manoloana ny asan-jiolahy izay nahatonga an’iny toerana iny ho lasa faritra mena eto an-drenivohitra. Hentitra tokoa ireo polisy satria tao anatin’ny herinandro izay dia efa nahatratra 17 ireo olona nosamborina ary nohadihadiana. Ny tranga voalohany dia mahakasika ny saika hamakian’ny jiolahy trano fivarotana enta-madinika na «épicerie» iray teo an-toerana. Efa saika voaroba io fivarotana io raha tsy sendra nanao fisafoana teny ny polisy. Raikitra avy hatrany ny fidirana tany anaty elakelan-trano rehetra tany ary tao anatin’izay ihany koa no nisy ny fisamborana. Navotsotra ihany moa ireo olona rehefa tsy nisy noahiana ny momba azy ireo nandritry ny fanadihadiana. Ny faharoa indray dia olona fito nifanehatra tamin’ny polisy tsotr’izao.
Mbola nohadihadiana izy ireo omaly ary mety hatolotra ny Fampanoavana. Fantatra koa amin’izao fotoana fa tsy ireo polisy amin’ny boriborintany ihany no midina an-tsehatra rehefa amin’ny alina amin’ny asa fisafoana fa hatramin’ireo miasa birao eny anivon’ny sampandraharaha maro isan-karazany dia mandray anjara koa. Antony izay mahatonga ny renivohitra ho feno polisy amin’ny alina izany. Raha tsiahivina dia polisy telo no misahana ny fiarovana ny ain’ny olona 3000 eto amintsika raha tokony ho iray isaky ny 1000 no tokony ho izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.