Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ilay tetikasa momba ny fampivoarana ny fanabeazana ny ankizy marefo izay voailika anaty rafi-pampianarana eto Antananarivo.
Nokarakarain’ny fikambanana Soeur Emmanuelle sy ireo mpiara-miombon’antoka izany ary notohanan’ny Vondrona Eoropeanina. Raha tsiahivina dia nizara telo ity tetikasa ity, nisy ny momba ny haitaratasy ho fampianarana ara-tsekoly ho an’ireo ankizy 7 hatramin’ny 18 taona. Faharoa ny fampandrosoana ankapobeny ny ankizy ary farany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka hampivoatra ny sehatry ny fanabeazana. Fantatra fa ankizy 100 mahery nitsoaka na tsy nianatra mihitsy no raisin’ireo mpiara-miombon’antoka tahaka an’i Hardi sy Manda amin’ny ivontoerana isan-taona. Ireo dia ezahina averina ao anatin’ny sehatry ny fampianarana ka ampidirina eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga voalohany. Manoloana izany dia mpanabe matihanina 12 no handray an-tanana ankapobeny ireo ankizy ireo ary 430 ny isan’ireo tokony horaisina an-tanana. Noho izany ezaka izany dia 80% amin’izy ireo no tafaverina an-tsekoly ary sekoly 30 mahery sy fianakaviana miisa 350 no mandray tombontsoa amin’ity tetikasa ity.
Tsiry sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.