Raha ny tarehimarika, mbola faritra mena amin’ny fizahantany mamoafady ataon’ireo vahiny sy ny firongatry ny aretina azo amin’ny firaisana ny faritra Atsimo Andrefana. Noho ny fomban-tany (fanambadiana aloha loatra), fanolanana, fivarotan-tena …
no antony mampirongatra ny vohoka tsy irina aloha loatra amin’ireo ankizivavy tsy ampy taona any amin’iny faritra iny. Raha ny antontan’isa dia ny 54,4 %-n’ireo « ajampela » no mitondra vohoka, izay tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny ankamaroany, satria zara ny sasany raha nandingana ny sekoly ambaratonga fototra (EPP).
Fizahantany mamoafady
Raha ny fanadihadiana samihafa natao sy maso mahita ao Toliara ao, dia mitombo isa saika isan’andro ny tahan’ireo zazavavy tsy ampy taona mivaro-tena. Misy ny teren’ny ray aman-dreniny noho ny fahantrana. Tsy vitsy kosa ireo mirotsaka mampanofa fahafinaretana noho ny rendrarendra isan-karazany sy fitiavam-bola. Lasa lamaody ny fiarahana amin’ny vazaha anti-dahy tsy fanta-piaviana sy teratany vahiny hafa. Mahery ny vola ary ny tena loza, tafaroboka hatramin’ny mpianatra eny amin’ny EPP (somondraha ndao fa lera !)
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.