Actualités

Ankizy mitsoaka ny tokantrano Tovovavy no tena maro an’isa


  • Talata 27 Febroary 2018

Misy hatrany ireo ankizy mitsoaka miala ny tokantranon-dray aman-dreniny amin’izao.

Ankoatra ireo misara-panambadiana na mipetraka amin-draikely na renikeliny satria kamboty dia misy amin’izy ireny no matin-drendrarendra tsotra izao ka lasa manaotao foana satria te-hanana lamaody na finday amin’ireo karazany hiaka farany mitovy amin’ny  an’ireo namany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompon’andraikitra iray misahana ny fitaizana ireny ankizy ireny eny ambany tanàna dia ireo tovovavy no tena maro an’isa.  Misy ireo  manaraka lehilahy lehibe efa manana anton’asa ary tsy mody any an-tokantranony mihitsy mandritra ny tapa-bolana. Rehefa miverina anefa izy ireny dia efa miaraka amina finday avo lenta sy ny lamaody avokoa ka tsy mahita lazaina ireo ray aman-dreny. Misy indray ireo fianakaviana mpanam-bola sendra mandalo ao an-tokantranony no manadala ilay zaza  ka tsy sahy mitory ireo ray aman-dreniny rehefa tena fantatra ny marina. Misy ihany koa ireo entin-draikeliny mifindra lasy mihitsy ary hanaovany izay tiany hatao ka rehefa fantatra ny marina dia tsy sahy mitory ilay reny. Tamina sekoly iray eto an-drenivohitra avokoa no nahitana ireo tranga miisa telo ireo. Efa nentina nanatona ny Centre Vonjy avokoa moa ireo ankizy ireo saingy tsy nisy nety nitory ny ray aman-drenin’ireto roa farany.  Mikasika ireo tovolahy indray dia ny fidiran’izy ireo anatina klioba iray no tena malaza amin’izao, mpianatra efa saika tsy mandia ny varavaran-tsekoly intsony sady mifoka. Manafika  ireo tovolahy namany anaty klioba hafa mitovy aminy izy ireo rehefa misy tovovavy kely iadivana ka misy mihitsy ny dina hifanaovan’ny mpikambana  toy ny hoe : izay mivadika dia vonoina. Efa miparitaka eto an-drenivohitra io klioba io amin’izao.

 

Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT