Nahatratra 1.500.000 isa ireo ankizy mpianatra manerana ny Nosy no nitsoaka an-daharana an-tsekoly tamin’ny taona 2009 raha ny fanadihadiana natao. Ireo nanovo fahalalana teny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra no tena voakasika vokatry ny krizy politika nitranga teto amin’ny firenena.
Nanomboka nitotongana ny fahaizan’ireo zaza Malagasy izay mbola hita taratra mandraka ankehitriny. Araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena dia efa miezaka ny mitady vahaolana izy ireo. Anisany ny fanatanterahana ilay tetikasa CRAN ( Cours de remise à niveau) izay namondronana ireo ankizy ireo tamina sekoly ambaratonga fototra akaiky azy isaky ny tanànany ka nampanaovana “cours” maimaimpoana azy ireo isaky ny fotoam-pialantsasatra. Mianatra nandritra ny roa volana izy ireo dia hampanaovina andrana kely ka nisy ireo naverina tamin’ny kilasy nisy azy teo aloha ihany fa nisy koa ireo nojerena manokana, miankina amin’ny fari-pahaizany sy ireo mpampianatra nandray azy. Tamin’ny taona 2014 moa no nanombohana io tetikasa io izay mbola mitohy mandraka androany miaraka amin’ireo karazana fikambanana sy ONG maro samihafa eto an-drenivohitra. Na izany aza anefa dia fantatra fa mbola misy amin’ireo ankizy eny anivon’ny fiarahamonina no tsy mianatra ara-dalàna toy ireo namany noho ny tsy fahampiana sy ny fahasahiranana mianjady amin’ny tokantrano Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.