Actualités

Ankizy maherin’ny 800.000 Tsizarizary sakafo any atsimo


  • Alatsinainy 20 Febroary 2017

Kaominina 7 any amin’ny faritra Androy sy Anosy amin’izao fotoana izao no iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo, raha ny fanazavana nomen’ny filohan’ny fifanampiana Malagasy, Randrianalison Andrianomentsoa, tetsy amin’ny biraony etsy Ampandrana ny sabotsy teo.

 Mahatratra 1.200.000 no isan’ireo tsy ampy sakafo ireo, raha ny fanazavana, ary ny antsasany, izany hoe manodidina ny 850.000 dia zaza sy ankizy avokoa. Mba hahafahana manampy ireo havana any atsimo ireo ary dia hifanome tanana amin’ity fikambanana ity ny avy eo anivon’ny secours populaire français izay fikambanana mpanao asa soa any frantsa. Ny 15 febroary teo no efa tonga teto ireto vahiny ireto ary anisan’ny anton-diany ny mba hangataka ny alalana avy amin’ny ambasadaoro frantsay miasa eto amintsika sy ny minisitry ny fahasalamana momba izay fanampiana ny any atsimo izay. Ankoatr’izay moa dia hanampy eo amin’ny lafiny fampiroboroboana ireo fanatanjahantena miha manavanana antsika, toy ny baolina lavalava sy taekwondo koa ireto vahiny ireto. Anio no hifarana ny dia voalohan’ireto vahiny ireto teto amintsika saingy hisy solontena iray hijanona mandritry ny 5 ka hatramin’ny 6 volana kosa manomboka amin’ny volana mey hanara-maso ny fitsinjarana ireo fanampiana.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT