Mitohy ny fitsidihana ny tanŕnan’Antananarivo ataon’ireo ankizy miisa 43 afa-panadinana CEPE sy BEPC 2015 tany amin’ny Distrikan’i Lalangina Faritanin’i Fianarantsoa miaraka amin’ireo mpanabe isan-karazany sy ray aman-dreny vitsivitsy
. Hetsika tarihin’ny depiote voafidy tany an-toerana, Rivotiana Jean Bosco izy ity, mba ho fankasitrahana ireo ankizy afa-panadinana ka nahazo naoty ambony indrindra avy amin’ireo Kaominina 16 mandrafitra ny Distrikan’i Lalangina. Amin’izao fandalovana eto an-drenivohitra izao dia ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Valanjavaboary eny Tsimbazaza no notsidihan’ireto mpianatra ireto rehefa avy nandalo teny amin’ny Toby Akamasoa Père Pedro tamin’ny fahatongavana ary nijery baolina teny Mahamasina tamin’ny alahady, ary mbola hitohy izany. Marihina fa nahazo salanisa 15,5/20 ny voalohany teo amin’ny fanadinana Bepc tany Lalangina ary 19,5/20 ny teo amin’ny Cepe.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.