Actualités

Ankety momba ny any atsimo Be sahady no mipararetra


  • Alakamisy 29 Novambra 2012

Io ary ilay efa nampoizina fa dia mitaky ny hanaovana fanadihadiana manokana momba ny zava-nitranga tany atsimo ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ka nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy omaly teny Mahazoarivo, nandritra ny fihaonan’ireo masoivoho vahiny eto amintsika tamin’ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana, izay notarihan’ny praiminisitra Omer Beriziky.

 Tohin’ny lojikan’ilay fanambaran’ny Amnesty International nohamaivanin’ireo be galona sy nanaovan’izy ireo eson-teny izy ity, raha ny fandinihana azy. Tsy vitsy tamin’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny mpitandro ny filaminana tokoa mantsy no nilaza fa tsy nahita ny zava-misy tany atsimo akory ny Amnesty International fa nionona tamin’ny tatitra an-gazety sy nataon’ny mpanao politika fotsiny. Asa na tsy fahafantarana tsara ity fikambanana ity sy ny lanjany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no anton’izany fa dia tena nahagaga ny fahasahian’izy ireo. Tsy noeritreretin’izy ireo koa angamba, fa mba mety efa nandefa mpitsikilo tany atsimo tany anie ireo firenena vaventy, manana masoivoho eto amintsika ireo e, fa tsy hoe nionona tamin’ny zavatra hitany tamin’ny gazety na ny tatitra ataon’ny mpitandro filaminana. Delegasiona diplaomaty mafonja avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no tonga omaly teny Mahazoarivo, ary tsy sangisangy ny resaka teny fa tena matotra, koa dia hatsangana atsy ho atsy indray izany ny vaomiera hanadihady ny tranga tany atsimo, ka handray anjara mavitrika amin’izany ny Firenena Mikambana. Omaly dia nanamarika atoa Leonidas Tezapsidis, masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika, fa mety hisy akony amin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, ny tsy fisian’ny filaminana sy ny fitoniana any atsimo, ary mety hisy akony ratsy amin’ny fanaovana ny fifidianana koa.

Dia efa mazava izany ny resaka fa tsy hivoaka ny vola fanampiana avy any ivelany raha tsy hita ny tena marina momba ny zava-nitranga manodidina ny halatr’omby, sy i Remenabila ary ny “Opération Tandroka”. Efa noresahana teto foana, fa tsy adala akory ny vazaha ka hanome vola antsika am-polony tapitrisa hanaovana fifidianana, kanefa efa fantany fa mety hikorontana ny eto, ka ho very fotsiny io vola io no sady mety tsy ho tafaverin’ny fanjakana malagasy akory any aoriana any. Azo ambara fa nofy ratsy ho an’ny fitondrana tetezamita, indrindra fa ireo manampahefana akaikin’i Andry Rajoelina ity fanaovana fanadihadiana iraisam-pirenena momba ny raharaha any atsimo ity satria mety hisy tsiambaratelo hipoitra eo, ary azo antoka fa be no efa mipararetra any.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT