Nampalahelo ny zava-nitranga teny Ankazomanga Atsimo ny alakamisy teo, hoy ireo nanatri-maso teny an-toerana. Lisitra traboina sandoka ahitana ireo fianakavian’ireo komitim-pokontany indray mantsy no nisitraka ireo entana ilaina andavanandro toy ny vary, savony, menaka natolotry ny malala-tanana tsy miankina tonga nitondra
fanampiana tamin’io fotoana io. Zara raha nahazo vary tapa-kapoaka sy voanemba kosa ireo tena traboina ao amin’ity fokontany ity. Saika niafara tamin’ny sakoroka rahateo ny fizarana fanampiana ka nampiato izany avy hatrany ity fikambanana mpanao asa soa ity. Tsipy teny avy amin’ireto traboina sahirana niharan’ny tsy rariny ireto moa ny tokony hanitsiana ny fihetsika mpiandry omby ananan’ireo tompon’andraikitra mpitantana isan-tsokajiny ny fizarana fanampiana ankehitriny.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.