Actualités

Ankazobe sy Anjozorobe Nitombo 100% ireo orinasa vaovao


  • Talata 25 Aogositra 2015

Nahatratra 2.012 ny isan’ireo orinasa niorina ara-dalàna teto amin’ny faritra Analamanga nandritra ny 3 volana voalohany ny taona 2015, araka ny fanadihadian’ny Ivontoeram-pirenena mikirakira ny Antontanisa.

 Tafakatra 2.132 io tarehimarika io na fitomboana 6% tao anatin’ny 3 volana faharoa tamin’ity taona ity. Orinasa 767 no nitsangana ny volana aprily, 663 ny volana mey ary 702 kosa ny volana jona. Misongadina manokana moa ny distrikan’Atsimondrano amin’ny fijoroan’ireo orinasa maro vaovao. Miisa 682 ny fitambaran’izy ireo nandritra ny enim-bolana voalohany. 360 na 17,9% nanomboka ny volana janoary hatramin’ny volana martsa raha 322 na 15,1% ny volana aprily, mey ary jona 2015. Malaza ho tsy mahasarika fananganana orinasa loatra ihany koa Ankazobe sy Anjozorobe. Nitombo 100% be izao anefa ireo orinasa vaovao nitsangana tao amin’ireo distrika roa ireo tao anatin’ny telovolana faharoa mihoatra amin’ny telovolana voalohany tamin’ity taona 2015 ity. 7 lasa 14 izany ho an’ny distrikan’Ankazobe raha 16 tonga 32 kosa ho an’ny distrikan’Anjozorobe.

Nangonin-dRamano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT