Namono olona indray ny fiara sprinter tany amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Renim-pianakaviana iray no namoy ny ainy ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora maraina vokatry ny fivadihan’ny taksiborosy iray sprinter nitondra azy, teny Ankazobe .
Avy any Antsiranana hihazo an’Antananarivo io fiara io no izao tra-doza izao. Raha araka ny fanadihadiana natao dia vaky ny kodiarana aloha amin’ny ilany an-kavanana. Tsy nahatazona ny familiana ilay mpamily ka nifatratra tany anaty hantsana ilay fiara. Raha araka ny fantatra hatrany dia vokatry ny dona mafy nahazo ny lohany no nahafaty ity renim-pianakaviana iray ity izay tonga tany amin’ny hopitaly vao namoy ny ainy. Nahitana faritra mangana ny lohany manakaiky ny fihirifany. An’ny koperativa Besady moa ity fiara fitaterana nivadika ity. Notazonin’ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana ny mpamiliny nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza. Marihina fa tena mandeha mafy tokoa ireo taksiborosy mivoaka any amin’ny faritra amin’izao ankatoky ny fety izao. Amin’ny 12 ora alina mantsy dia efa tonga etsy Talatamaty avokoa ireo niainga hariva avy any Mahajanga, raha ny fitarainana voaray, koa hanairana ny tompon’andraikitra ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.