Tena mihevitra azy ireo ho ambonin’ny lalàna avokoa rehefa manana basy. Taorian’ny zandary, ny polisy dia mandà ny fampiharana didim-pitsarana amina miaramila manao “Détachement Autonome de Sécurité” na DAS miisa roa koa ny tafika.
Mitady hiseho lany indray ny trangan-javatra mitovy amin’ny tany Toliara ny 9 desambra 2011 sy ny tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy Antananarivo ny 24 jolay 2012, hoy ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), Auguste Marius Arnaud Wilfried, raha nitantara tamin’ny mpanao gazety ny zava-niseho tany Ankazobe tamin’ny talata 18 septambra izy omaly, tetsy Anosy. Rehefa nanao ny asany ny DAS-n’Ankazobe noho ny halatra omby niseho tany an-toerana, hoy izy, ka tsy nahita an’ireo mpangalatra dia ny havan’izy ireo no nosamboriny ary novonoina sy nampijaliana ka niafara tamin’ny fitifirana an’ireto havan’ny mpangalatra omby mihitsy izany. Rehefa avy eo dia nisy fitoriana tany amin’ny fitsarana ka rehefa nandeha ny famotorana dia niaiky ireo miaramilan’ny DAS ireo fa nanao an’izany fampijaliana sy fitifirana olona izany.
Ny miaramila iray dia efa nampidirina ny fonja vonjimaika tao Ankazobe tamin’ny volana jona 2012 fa ny iray kosa dia ny alakamisy teo vao nampidirina tany. Nidina tany an-toerana ny lehiben’ny DAS avy aty Antananarivo ary nandrahona fa hoesorina daholo ny DAS any an-toerana. Tsy vitan’izany fa nanomboka nandeha ihany koa ny fandrahonana an’ireo mpitsara ary nandeha mihitsy aza ny feo fa hatao Toliara faharoa ny mpitsara any Ankazobe ka ny talata 18 septambra hariva ihany dia efa nisy miaramila efa-dahy nanodidina ny tranon’ny Tonian’ny mpampanoa lalàna tany Ankazobe ary nitondra basy kalaky. Efa midika ho fampihorohoroana sahady izany, hoy ity filohan’ny SMM ity, ary ny filazana fa tsy maintsy havoaka ny namany dia toherinay ary mankahery ireo namanay any Ankazobe izahay fa mba tany tan-dalàna ny eto ka tsy tokony hanao izany ireo miaramila ireo fa ny famotorana noho ny paikady no nahatonga ny fampidirana an’ireo miaramila roa ireo am-ponja vonjimaika.
Miray hina tanteraka amin’ireo mpitsara ao Ankazobe izahay manoloana ny fampihorohoroana mianjady aminy izahay SMM ary manameloka tanteraka izay rehetra mety ho endrika fanoherana didim-pitsarana amin’ny herisetra na avy amin’iza izany na avy amin’iza. “Koa manao antso avo etoana izahay amin’ireo Tompon’andraikitra ambony ato amin’ny Fitsarana manomboka amin-dRtoa Minisitra, ny Filankevitra ambonin’ny Fitsarana, hanao izay andidian’ny lalàna azy ireo manoloana ny tranga fanitsakitsahana ny fiandrianan’ny Lalàna sy Fitsarana tahaka izao. Manaitra ihany koa ny lehiben’ireo manao ny fandrahonana isan-tokony mba hanao izay hifehezany ny olona mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy intsony toy izay nisy hatrizay. Mampahatsiahy ny fitondrana, araka ny fampanantenana teny Ivato tamin’ny 16 febroary 2012 tsy mbola notanterahina fa zava-dehibe tsy azo ihodivirana ny fiarovana ny mpitsara tsirairay. Ho an’ny olom-pirenena rehetra kosa dia tsy tokony hanary toky fa mitovy daholo ny rehetra manoloana ny lalàna”, hoy ny fanambarana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.