Tsy mbola niova fo ny dahalo any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo ary nifanesisesy ny fanafihan-dahalo ny volana martsa.
Niverina nanafika indray tao Ranotsara, Kaominina Andranolava ny marainan’ny zoma teo ireo dahalo an-jatony, raha nandroba omby 70 sy namono olona roa, ka tompon’omby ny iray, ny 23 martsa lasa teo. Raikitra ny fanaraha-dia ka nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana tao Andranoatomily tanànan’ny dahalo izay tsy vaky hatramin’izay. Vokatry ny fifadonana teo amin’ny roa tonta, dahalo roa maty ary nentin’ny namany nitsoaka ny fatiny.
Atao hazalambo
Taorian’ny fifampitifirana dia natao savahao ny tanàna. Moara sy fanafody gasy roa gony no sarona tao an-tranon’i Derick, lehiben-dahalo niampy fanamiana zandary sy bala kalach iray. Raha ny fanazavan’ny komandà Tsiketa Janvier Parfait dia karohina fatratra amin’izao ity lehiben-dahalo tanora ity satria any aminy ny basy Kalach iray very tamina mpitandro filaminana naratra ny 25 martsa teo. « Efa ny fantatra ny toerana misy sy anafenan’ireo dahalo omby halatra, ka hanaovanay be midina hamongorana ny asa ratsy. Tsy hamelanay raha tsy miverina ny basy very sy ireo omby 70, ary voasambotra i Derick lehiben’ny malaso », hoy hoy ny Kolonely Rakotonarivo William, komandin’ny Rezimanta Miaramila faha-5.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.