Nosavain’ny mpampandry tany ao anatin’ny “Opération Fahalemana” ny tranona depiote any Ankazoabo Atsimo ny 14 septambra 2015 araka ny taratasy “réquisition Mixte laha-177-CG/PR/AN/K/15/S”.
Araka ny tati-baovao nataon’ny zandarimariam-pirenena naparitaka tamin’ny mpanao gazety dia tratra tao anatin’io trano nosavaina io ny basy iray Baikal “calibre 12” miaraka amin'ny taratasy telo tsy ara-dalàna, sy basy poleta iray marika Unique 7,65 mm an'olona efa maty atao hoe : Makabara miaraka amin’ny tranom-bala sy bala efatra sy taratasy tamin’ny taona 2008, ary taratasina basim-borona telo daty 2015 saingy tsy misy basy. Ankoatra ireo dia nisy omby 268 tsy mazava ny taratasy momba azy hita ihany koa nandritra io fisavana io. Mandray an-tanana ny fanadihadiana amin’izao ny kaompanian’ny zandary Ankazoabo Atsimo.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.