Actualités

Ankazoabo atsimo Nogiazana ny ombin’ny depiote Mara Niarisy miisa 92


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Tantara mitohy. Taorian’ny nahafaty an’ireo mpitandro ny filaminana valo lavon’ny balan’ny dahalo tao Ankazoabo Atsimo, dia nongiazan’ny mpitandro ny filaminana ny ombin’ny depiote Mara Niarisy miisa 92, nanomboka ny alarobia lasa teo.

 

 

 Raha ny fanazavan’ity depiote ity, dia tsy tao an-tanànany (30 km atsimon’ny tanànan’Ankazoabo renivohitra) ny tenany, fa nankaty an-drenivohitra tamin’ny fotoana nakana ny ombiny. Raha araka ny loharanom-baovao dia voalaza fa miray tendro amin’ny malaso ity olom-boafidy ity, ka izany ny antony nakana ireo omby mampiahiahy haseho vahoaka mba hahafantarana ny tena tompony.

Dahalo ambony latabatra

Manoloana izao toe-java-misy izao dia miahiahy ity olom-boafidy ity, fa toa karazan’ny valifatin’ny manampahefana ao an-toerana aminy izao antsojay atao aminy izao, ka holokoina ho anisan’ny mandray omby halatra na mitsikombakomba amin’ny asan-dahalo ny tenany. « Sahy mamotsipotsitra ny marina aho amin’ny afitsoky ny dahalo an-tsaha sy ny mpiray tsikombakomba aminy, dia ny « dahalo ambony latabatra », ary tsy manaiky lembenana amin’ny fihoaram-pefy ataon’ny mpitandro ny filaminana manao « dramotse » mangoron-karena amin’ny « opération Fahalemana 2015 », dia lotoina sy hosoram-potaka, satria tsy zakan’ireo tompon’andraikitra mitana ny fahefam-panjakana isan-tsehatra mihitsy ny fahasahian’ny Depiote Mara Niarisy manambara tsy amim-pihambahambana ny famatorana andraikitra eo amin’ny manam-pahefana sasany ho mampiroborobo ny asan-dahalo », hoy Mara Niarisy, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ankazoabo Atsimo.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT