Actualités

Ankazoabo Atsimo Miaramila 9 matin’ny dahalo, 11 naratra mafy


  • Alakamisy 27 Aogositra 2015

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora, tao Andabo 10 km miala ny tanŕnan’ Ankazoabo Atsimo, dia raikitra ny fifandonana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo dahalo 85 lahy nirongo basy mahery vaika ny sasany, avy nangalatra omby zato mahery tao amin’ny tanŕnan’ Andabo, afak’omaly alina

 

 

. Raha ny vaovao voaray farany, dia miaramila 9 no namoy ny ainy lavon’ny balan’ny malaso, 11  hafa tamin’ireo mpitandro ny filaminana nanara-dia ihany koa naratra mafy. Dahalo dimy kosa no fantatra hatreto fa maty voatifitra, ary nentin’ireo dahalo sisa velona nandositra ny omby rehetra ka mbola karohina hatramin’izao, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Latsaka afovoan’ireo dahalo izay maro an’isa lavitra ireo miaramila ka dia norarafan’ireo malaso ny tifitra variraraka ka tsy dia tena afa-nanohitra firy. Fantatra fa misy avy amin’ny Capsat Soanierana ireto miaramila maty tany Ankazoabo atsimo ireto, araka ny loharanom-baovao iray.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT