Lasa resabe ankehitriny ny voka-panadinana BEPC tany Ankazoabo-Atsimo, Distrika iray miala 300 km avaratra atsinanan’i Toliara.
Nahoraka aza fa dia natao ny fomba rehetra hahamaro afaka ny mpianatra, mba hanamarinana fa tsy misy akony tany an-toerana ny fitokonan’ny SEMPAMA. Teny fandrahonana sy fampitahorana no azon’ireo izay mba manao fanamarihana, ka aleon’ny hendry nangina fa matahotra fifindran-toerana sy sazy. «Mamy ny mikarama», hoy ireo mpanabe. Nohamafisin’ireo ray aman-dreny ihany koa fa «potika mihitsy ny hoavin’ny zanakay sy ny soatoavin’ny fanabeazana eto Ankazoabo». Nisy foibem-panadinana telo tany an-toerana dia ny tao amin’ny CEG Ankazoambo, Berenty ary ny tao Tandrano. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nafahana avokoa izay nahazo salan’isa 9/20. Mpianatra 245 tamin’ireo 378 nanala fanadinana no voakasik’izany, izay nanome ny salan’isa 64,81%, raha 397 no voasoratra anarana fa tsy tonga kosa ny 19 tamin’ireo mpiadina. Araka io loharanom-baovao io hatrany dia 49,73% ny taham-pahafahana BEPC tany amin’ity fari-piadidiam-pampianarana ity raha salan’isa 10/20 no nanafahana ireo mpianatra ary 56,08% kosa raha 9,5/20.
Ny loharanom-baovaonay tany an-toerana ihany no nahafantarana fa misy «kits scolaires» anaty baoritra maromaro tokony ho nozaraina any Ankazoabo any saingy tsy notanterahina izany fa hoe hiandrasana fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana (?) Dia mifangaro voraka izany eto ny raharaham-panabeazana sy politika. Manaitra ny sain’ny mpitondra ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy mpanabe any an-toerana hampanao fanadihadiana mikasika izao raharaha any Ankazoabo izao, hiarovana ny hasin’ny fanabeazana.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.