Voatery miavo-tena ny vahoaka ao amin’ny kaominina Mahitsy noho ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitondra eny an-toerana.
Vita ihany ny asa fanajariana ny tohodrano tao Andohanosy izay tokony hiantoka rano ho ana velaran-tanimbary 5.000ha mahery manerana ny kaominina nefa tsy nisy nanarina nandritra ny taona maro ka nampihena ny tany azo novolena vary. Tetikasa nanampian’ny malala-tanana iray eny an-toerana, i Maître Maminiaina Johnny Rakotondranaly, ny sefom-pokontany vao nesorin’ny ben’ny tanàna tao Ankazo, toerana misy ny fotodrafitrasa izao novitainy izao, ho tombontsoan’ny mpiara-belona, araka ny fanazavany. Aleo ialana ny disadisa ara-politika izay mety hisakana ny fampandrosoana, hoy izy, ka andao iray hina hanilika ny fahasahiranana, indrindra fa amin’izao fotoana tsy ijeren’ny mpitondra aty an-toerana antsika izao. Notoheriny rahateo ny fanakianan’ny fokonolona ny sefom-pokontany vao notendrena tao Ankazo izay tsy nanatrika ny famitana izao asam-pokonolona izao akory nefa nahalala ny fisiany satria isan’ny nandray anjara tamin’ny dinika tamin’ny fotoana naha vahoaka tsotra azy.
Hahavita tena ara-tsakafo ny kaominina Mahitsy noho izao fahavitan’ny asa fanarenana ny tohodranon’Andohanosy izao ary heverina sahady ny hanohizana ny tetikasa fanatsarana ny fambolena amin’ny fananganana ny lakandrano mirefy 25 km eo ho eo, hahafehezana ny rano ka hahazoana mamboly vary in-droa na in-telo isan-taona, hoy ny vinavinan’i Maître Maminiaina Johnny Rakotondranaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.