Actualités

Ankatso Nanenjana ny SECES


  • Alarobia 06 Oktobra 2010

Lasa ny mamba, misosoka ny voay. Mahalaza tsara ny olana tsy mety mivaha eny amin’ny oniversiten’Antananarivo io fomba fiteny io.

Raha efa nahazo ny karamany mantsy ny mpiasan’ny oniversite ary efa nahazo ny anjara vatsimpianarany ihany koa ny mpianatra, dia mbola ao anatin’ny fitakiana ny azy ireo mpampianatra mpikaroka. Ka noho ny tsy fisian’ny valin-teny mahafa-po avy amin’ny fanjakana dia nanapa-kevitra ny hampiato ny fampianarana izy ireo. Efa nanazava ny fandehan’ny raharaha sy ny zava-misy ihany ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny ministeran’ny fampianarana saingy tsy maharesy lahatra ny mpampianatra izany. Maro amin’izy ireo no mieritreritra fa fandanian’andro sy fandrebirebena no tadiavin’ny FAT atao, ka avoaka avokoa izao hevitra sy tetika tsy hanomezana ny tambinkarama, na hampihenana izany. Nihenjana ny hetsiky ny SECES nanomboka omaly. Nivoaka ny efitrano, nametaka fanamiana ary nilahatra nitety ireo departemanta teny an-toerana izy ireo. Hetsika tsy mbola niseho teny tamin’izay nisian’ny fitakiana.

Hitohy izany amin’ity anio ity. Etsy ankilany, hakiviana no nisoritra teny amin’ny endrik’ireo mpianatra teny amin’ny onivesiten’Antananarivo omaly. Araka ny vaovao ren’izy ireo manko dia tapitra hatreo ny fampianarana eny Ankatso. Mikatso tokoa ny toe-draharaha raha ny fanazavana. «Raha naka boky aho dia tsy nahazo intsony fa hoe : tsy hisy intsony ny fianarana, izany hoe ho taona fotsy izany ity taom-pianarana ity. Te hanohana ireo mpampianatra ihany aho kanefa raha hanohana azy dia ho aiza ? Leo ity taom-pianarana ity aho, satria efa hatramin’ny volana febroary no natomboka dia tokony nifarana tamin’ny septambra hatramin’ny fihodinana faharoa kanefa hatramin’izao dia mbola tsy tapitra», hoy ny mpianatra iray. Milaza ny tsy hampianatra intsony ireo mpampianatra. Araka ny fantatra manko dia ny 2 oktobra no voalaza fa tokony hifarana ny fampianarana. Dia najanon’ireo mpampianatra tokoa izany fampianarana izany hatreto.

Foana avokoa, araka izany, na fanadinana, na fanohanana voka-pikarohana, na fitsangatsanganana miharo fikarohana na voyage d’étude, izany hoe ireo raharaha pedagojika rehetra ho an’ny fakiolte rehetra afa tsy ny DEGS izay namoaka valim-panadianana. «Tsy hampianatra intsony izahay, nefa vitanay io taom-pianarana io raha tohizanay, saingy tsy misy intsony ny vola ary izany dia hitsinjovanay ny taona ho avy. Tsy te hanao sorona ny mpianatra anefa izahay fa dia miandry izay vahaolana. Vahaolana izay tsy fantatra na hisy na koa rahoviana», hoy ny mpampianatra iray. Raha ny fanazavana ihany dia eo amin’ny iray tapitrisa iraimbilanja isaky ny departemanta no tamibinkaram-pikarohana hifampizaran’ireo mpampianatra rehetra ao. Raha ny tombana dia mety hiroso amin’ny fitokonana ihany koa ireo mpiasa na ny PAT, anisan’izany ireo mpizara vatsimpianarana ato ho ato. Izany dia hitarika korontana eo anivon’ireo mpianatra indray koa. Araka izany dia mbola tantara mitohy ity raharaha eny Ankatso ity.

 

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT