Actualités

Ankatso – Fitakiana vatsimpianara Mafampana ny toe-draharaha eny Ankatso eny


  • Talata 04 Mey 2010

Tapitra omaly ny fe-potoana 48 ora nomen’ireo mpianatry ny Fakiolten’ny Haisoratra ny minisiteran’ny fampianarana ambony hamoahana ny vatsimpianarana. Tsy nisy ny fianarana nandritra ny tontolo andro omaly alatsinainy fa nitokona nanoloana ny varavarana fidirana ny fakiolte avokoa ireo mpianatra.

Nisy koa andiana mpianatra nibahana ny vavahady fidirana ny oniversite sy nameno ny « esplanade ». Saika mpianatra avy ao amin’ny Fakiolten’ny Siansa indray ny ankamaroan’ireto farany izay nitarika ny hanafoana ny fampianarana tao an-toerana ihany koa. Vokany, tsy nisy fiara tafiditra tao anatin’ny faritry ny oniversite. Tafiditry ny mpanakorontana koa ny hetsika satria nisy tamin’ireo tanora mpianatra no nitora-bato ireo fiara teo ivelany ka fiara iray no vaky fitaratra. Nitombo ihany koa ny fitakiana ka nolavin’ireo mpitokona ny fisondrotana 10% nampanantenain’ny FAT fa tokony hakarina ho 50% izany. Nihanafana ny toe-draharaha tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany raha nirohotra nanoloana ny biraon’ny filohan’ny Oniversite ireo andiana mpianatra nibahana ny vavahady ary nangataka tsy misy hatakandro ny famoahana ny vatsimpianarana. Nihavitsy anefa izy ireo rehefa tsy nisy mpitarika satria nampanantsoin’ny filohan’ny oniversite ireo solontena isaky ny fakiolte. Ny filoha lefitry ny oniversite Rakotoarisoa Eric no nanao tatitry ny dinika sy nanazava ny zava-misy. Nambarany fa efa nivoaka avokoa  ny lisitr’ireo mpianatra mahazo ny vatsimpianarana saingy tsy mbola afaka manome ny andro ivoahany kosa ny oniversite noho ny tsy fahampian’ny toebola. «Ny vola andoavana ny vatsimpianarana iray volana voalohany ihany no efa am-pelatanan’ny «Agent comptable» hatramin’ny herinandro ambony raha mbola eo am-panatanterahana ny famindrana ny vola aty aminay momba ny vatsimpianarana volana faharoa sy ny fampitaovana ny minisiteran’ny tetibola ankehitrio», hoy izy. Nomarihiny fa efa tafiditra ao anatin’ny kaonty ny fisondrotana 10%. Tsy afa-po anefa ireo mpianatra izay nitaky ny handoavana ny vatsimpianarana roa volana sy ny fampitaovana farafahatarany rahampitso alarobia. Tapaka fa hotohizana ny fitakiana ka ho foana ny fampianarana mandra-pahazo izany. Marihina fa nilamina ny fampianarana teny anivon’ny fakiolten’ny DEGS.

Yves  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT