Miaina anaty fahasahiranana tanteraka ny tokantrano Malagasy hatramin’ny fitondrana tetezamita no ho mankaty. Nihena na tsy manana tetibola hiatrehana ny fety akory ny ankamaroan’izy ireny amin’izao dimy andro tsy hahatongavan’ny fetin’ny krismasy izao raha araka ny fanadihadiana natao.
Noho ny hasarotan’ny fiainana no mahatonga izany, indrindra fa ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena izay mila tsy ho voafehin’ny fanjakana intsony. Vitsy ireo hihinam-borona raha izay hatrany no mahazatra rehefa fety tahaka izao. Mahatratra 120.000 Ar mantsy ny vidin’ny iray amin’ny vorontsiloza lahy eny an-tsena milanja 10 kg amin’izao, vola izay efa mahavita hofan-trano sy jiro na tsinjaraina mandritra ny tapa-bolana hatao sakafo ho ana tokantrano iray. 80.000 Ar kosa ny gisa, raha 20.000 Ar ny akoho sy ny gana. Mitaraina noho ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena ny tsirairay ka zary mametraka ilay fomba fijery hoe : rehefa misy vola vao manao fety na dia tokony hanao fety ihany aza. Santionany amin’izany ireto raim-pianakaviana sendra ny gazety Tia Tanindrazana ireto.
Ranto, Raim-pianakaviana niteraka telo : Ny anay aloha tsy misy hoe : fety vao mihinam-be fa rehefa misy vola dia manao fety. Tsy manana tetibola hiatrehana ny fety akory izahay amin’izao ankatoky ny krismasy izao fa izay eo am-pelatanana no hifaliana.
Benja, Raim-pianakaviana niteraka roa : Misy ihany ny tetibola hiatrehana ny fety fa tsy betsaka. Ho an’ny kilalao ho an’ny ankizy izao dia noferana ho 30.000 Ar tsirairay avy ny azy ireo raha 30.000 Ar ihany koa ny sakafo holaniana amin’ny krismasy. Tsy betsaka fa rehefa misy vola dia manao fety e !
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.