Trano iray tsy ara-dalàna no voatery narodan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra afak’omaly talata, mba ho fanatanterahana ny didim-pitondrana laharana faha-49-CUA/CAB.17.
Antony nahatonga izany ny fiorenan’ny trano eo amin’ny tanin’ny kaominina kanefa tsy nanaraka ireo fepetra sy andininy ao amin’ny didim-pitondrana voasoratra. Manampy trotraka izany ihany koa ny tsy nangatahan’ny tompony alalana tamin’ny kaominina tamin’ny fanorenana azy tamin’ny fotoan’androny. Efa maro moa ny dingana sy lalana efa narahin’ny kaominina vao tonga tamin’izao fandrodanana izao izy ireo raha araka ny fantatra raha efa nahazo taratasy fampandrenesana mialoha avy amin’ny kaominina ihany koa ny tompon-trano. Tsy nisy ny sakantsakana
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.