Actualités

Ankadimbahoaka Tonga masiaka ny Emmo-Reg


  • Zoma 07 Desambra 2012

« Ekenay ny fampandrosoana fa takianay ny fitovian-jo », “Angalao ny atsinanana, angalao ny andrefana”.

 Ireo no sorabaventy narantin’ireo Fokonolona mipetraka amin’ny toerana etsy Ankadimbahoaka ampitan’ny fivarotan-dasantsy Galana omaly maraina teo am-piandrasana ny fiavian’ny iraky ny sampandraharaha mpanombana ny vidintany eo anivon’ny primatiora lefitra momba ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany.

Taitra ny Emmo-Reg nahita izany ka tonga matanjaka nijery ny zava-nisy ary niditra tao amin’ny trano fisakafoana nanaovan’ireto Fokonolona dinidinika. Tonga tokoa moa ny solontenan’ny ministera voalaza niaraka tamin’ny solontenan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ka rehefa nifampidinika tamin’ny Fokonolona teo dia nametraka tamin’ny farany fa samy hangalana 10 metatra avy ny ilany havanana sy havia amin’ity ampahandalana, miala ny lalamby Ankadimbahoaka mipaka hatreny amin’ny tetezan’i Tanjombato. Na izany aza dia manamafy ny tokony hanajanonana ity tetikasa tsy hitondra vokatra inona akory amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ity akory ny Fokonolona eny an-toerana.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT