Actualités

Anjozorobe Kitra nivadika gidra, telo no voatifitra !


  • Talata 18 Mey 2010


Raikitra ny lokabe nandritry ny ady baolina kitra izay nihaonan’ny ekipa roa tao an-toerana, izany hoe tao Anjozorobe. Niha niakatra hatrany ny hafanana teo amin’ny samy mpijery vokatry ny volabe nihodina rehefa samy niloka ny olona maromaro. Nandeha ny hiakiaka sy ny fifanakalozana vavabe. Ny niafarany dia nisy iray tsy nahazaka rehefa resy ny ekipa nalainy. Nentim-po io farany io ka namoaka basy ary tsy nisalasala nitifitra. Olona telo no naratra tao anatin’ny savorovoro. Ny nampalahelo dia tsy fantatra hoe iza ilay nahavanon-doza noho ny habetsahan’ny olona nijery ilay fihaonana. Afaka niafina tao anatin’ny besinimaro ilay olon-dratsy izay tsy mbola hita hatramin’ny omaly. Ireo naratra kosa dia voatery nentina teto an-drenivohitra mba hanavotana ny ainy. Noho ny halebiazan’ny fahavoazana mantsy dia tsy vita tany Anjozorobe intsony fitsaboana azy ireo.  

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT