Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny Fokontany Anivorano Sambava ny Sabotsy lasa teo.
Vokatry ny herinaratra nosintonina tamin’ny alalan’ny plaquye solaire no nahatonga ny loza raha araka ny vaovao azo. Vokany, trano 257 tafo no kila rotiky ny afo, tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Mitentim-bidy hatrany amin’ny 677.400. 000 Ar ireo fitaovana simba. Mbola tany amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny ihany dia fantatra fa nitrangana hain-trano ihany koa tao Dzamanjar Nosy be, ny Sabotsy teo ihany. Vokatry ny fandoroana bozaka tamin’ny labozia nataon’ny ankizy no nahatonga ny loza ka nitatra tamina trano maromaro. Lasa nitsoaka moa ireo ankizy ireo raha araka ny vaovao azo nefa mbola nisy fiara iray kila hotohoton’ny afo ihany koa niaraka tamina kodiarana maromaro.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.